VATSIM-PIANARANA MFP


Ny iray amin'ny tanjon'ny MFP dia ny hanofana sy hanomana solofo vaovao matihanina amin'ny haino aman-jery malagasy. Raha toa ka malagasy ianao ka liana amin'ny horonan-tsary sy ny sary pika, dia manolotra vatsim-pianarana ho an'ireo kandida miavaka izahay. Mitady olona tena manana risi-po sy manam-pitiavana amin'ny biby dia, ny fiarovana azy sy ny fampandrosoana. Ireo kandida voaray dia hiara-hiasa akaiky amin'ny mpiasa ato aminay mba hanatsara ireo fahaiza-manao eo amin'ny horonan-tsary sy ny fakana sary. Izay olona mampiseho ny fahaiza-manao takiana dia ahazo asa amin'ny fotoana feno (asa raikitra).


Ny taratasy filatsahana ho mpifaninana tsirairay dia ho dinihina amin'ny ankolafiny, nefa ireo kandida dia tokony ahavaly ny ankamaroany na ny fepetra manontolo voa laza etsy ambany:


• Mpianatra na vao nahazo diploma tsy ela tamin'ny sekoly ambaratonga ambony

• Mpianatra amin'ny Sciences biologiques sy/na manana traik'efa amin'ny fanatontosana horonan-tsary sy sary pika

• Tokony hizaka ny zom-pirenena Malagasy

• Mahay miteny anglisy, frantsay ary malagasy

• Mahay mikirakira Solosaina, indrindra ireo fototra ilaina amin'ny horonan-tsary sy ny sary

• Efa zatra amin'ny fampiasana ireo rindrambaiko fandrindrana video sy sary amin'ny Adobe.


Ny antsipiriany amin'ilay toerana:

• Ora feno (40 ora/isa-kerinandro)

• Tsy andraisana karama

• Misy vanim-potoana anaovana andrana mandritran'ny roa herinandro ka aoriana an'izay vao manapa-kevitra ny raha toa ka tokony ahazo ilay vatsim-pianarana. Raha toa ka voahazona ilay vatsim-pianarana dia eo amin'ny 3 na 6 volana eo ny vatsim-pianarana ankatoavana 

• Ny MFP no miantoka ny hofa-trano sy ny fandaniana rehetra mandritran'ny fotoam-piofanana.

• Ny mpiana-draharaha dia miantoka ny saran-dalana mandroso/miverina any Nosy Be. Haverina ireo saran-dalana ireo any amin'ny fiafaran'ny fiofanana.

FIZARAN'ASA AO AMIN'NY MFP


Maniry ny hanatsara ny fahaiza-manao amin'ny horonan-tsary sy ny sary pika ve ianareo sy te ahazo traik'efa amin'ny alalan'ny fiasana miaraka amin'ny matihanina Efa feno traik'efa? Ato amin'ny MFP dia vonona izahay hikaroka ireo olona manam-piniavana sy manam-pitiavana amin'ny tontolon'ny biby, ny fiarovana azy, ny horonan-tsary sy ny sary pika. Tsy mitady zazavao izahay, fa olona Mpanao horonan-tsary, mpaka sary sy ireo mpamokatra izay maniry handingana sehatra tsaratsara kokoa sy hanatsara ny CV. Ireo mpiana-draharaha izay maneho fahaiza-manao sy fihetsika mendrika dia afaka hiara-hiasa aminay amin'ny asa handraisana karama any amin'ny ho avy na koa ho lasa mpiasa raikitra amin'ny fotoana feno. 


Ny taratasy filatsahana ho mpifaninana tsirairay dia ho dinihina amin'ny ankolafiny, nefa ireo kandida dia tokony ahavaly ny ankamaroany na ny fepetra manontolo voa laza etsy ambany:


• Manana diplaoma avy eny amin'ny oniversité

• Mpianatra amin'ny sciences biologiques na amin'ny horonan-tsary sy ny sary pika

• Mahay miteny anglisy, frantsay na malagasy

• Mahafehy ny solosaina ary efa manana traik'efa amin'ny tontolon'ny horonan-tsary et ny sary miaraka amin'ny "portfolio" matihanina.

• Mahafehy ireo rindrambaiko fandrindrana video sy sary.

• Have a professional portfolio of work


Ny antsipirian'ny toerana:

• Ora feno (40 ora/isa-kerinandro)

• Tsy andraisana karama

• fotoana 3 na 6 herinandro

•     Ny mpiofana dia miantoka ny saran-dalana mandroso/miverina any Nosy Be. Haverina ireo saran-dalana ireo any amin'ny fiafaran'ny fiofanana.


Ny mpiana-draharaha ato amin'ny MFP dia mandray anjara fototra amin'ny famokarana eny an-kianja sy amin'ireo asa rehetra izay atao ao amin'ny foibe toerana. Tafiditra ao anatin'izany asa izany (Fa tsy voafetra an'izay) ny fandrafetana lisitra sy fanamariana amin'ny teny miavaka ireo lahatsary sy sary ao amin'ny tahirin-tsary, ny fandrindrana, ny fandikana ireo fakana ambavany, fikojakojana ireo fitaovana sy fanaovana ny asa mpanampy eo amin'ny fandrindrana na ireo karazana anjara asa eo amin'ny fanatontosana sy ny fakana sary eny an-kianja. Tsara ho marihina fa ny asa atao eny an-kianja dia miankina amin'ny asa nosahanina nandritran'ny fotoana nanaovana ny fianaran-draharaha ary tsy misy antoka, fa maro anefa ireo tombontsoa mety ho azo mandritra ny fandalovana ato amin'ny fiofanana.


Aoka handefa mailaka ny CV, ny portfolio anao sy ny sarinao anao any amin'ny Chris Scarffe


MPAMOKATRA VIDEO/SARY


Mitady mpamokatra efa manana traik'efa izahay, izay mahafehy tsara ireo rindrabaiko ny fandrindrana video sy sary amin'ny Adobe CC. Ilay mpandrindra dia tokony manana portfolio izay milaza ireo asa efa vitany, tsara kokoa raha teo amin'ny sehatrin'ny horonan-tsary fanadihadiana sy ny ONG izany. Raisina ho tombony ananana ny traik'efa eo amin'ny fandrafetana lisitra sy fitehirizana ireo horonan-tsary sy sary. 


Ny taratasy fangatahana tsirairay dia ho dinihina amin'ny ankolafiny, nefa ireo kandida dia tokony ahavaly ny ankamaroany na ny fepetra manontolo voa laza etsy ambany:

• Mpianatra amin'ny ambaratonga ambony na vao nahazo mari-pahaizana avy amin'ny sekoly ambaratonga ambony

•      Manana traik'efa amin'ny asan'ny "Monteur" iray taona raha kely indrindra.

• Tsara kokoa raha mizaka ny zom-pirenena Malagasy na maniry hiara-hiasa amin'ny Malagasy izay nahazo ilay vatsim-pianarana mahakasika ilay fiofanana ato aminay.

• Mahay miteny anglisy, frantsay na malagasy.

• Mahafehy ny solosaina, ary tsara kokoa raha mahafehy ireo fototra amin'ny horonan-tsary sy ny sary.

• Olona efa manana traik'efa amin'ny Montage ka nampiasa ny Premier Pro, After Effects, LightRoom sy Photoshop.

• Manana traik'efa amin'ny fitehirizana sy fandrafetana ny lisitry ny Video sy ny sary mba hitehirizana an'izany.

• Manana traik'efa amin'ny fikirakirana tahirin-kevitra.

• Sarimiaina.


Antsipiriany amin'ilay toerana:

• Ora feno (40 ora isan-kerinandro

• Ny karama dia miankina amin'ny traik'efa ananana sy ny kalitaon'ny portfolio.

• Iray Volana no faharetan'ny andrana ka aorina an'izany no vao manao ny fifanarahana.

• Ny mpamokatra no miantoka ny saran-dalana makany Nosy Be sy ny miantoka ny tena.


Ny asan'ny mpandrindra ao amin'ny MFP dia mifototra amin'ny fandrindrana ireo tetik'asa sy mandrafitra lisitra sy mitahiry ireo ampahan-tsary sy sary, ary manakalo ireo tahirin-kevitra eny an-kianja.


Aoka handefa mailaka ny CV, ny portfolio anao sy ny sarinao anao any amin'ny Chris Scarffe

MPANAMPY MANOKANA/TOMPONANDRAIKITRA AMIN'NY TAMBA-JOTRA SOSIALY


Ny MFP dia mitady Mpanampy manokana sy Tomponandraikitra amin'ny tamba-jotra sosialy za-draharaha izay mahafehy ny rindrabaiko Microsoft Office, Mamorona sy manavao ireo nahely sy ireo fampahafatarana ao amin'ireo tamba-jotra sosialy, manao ny fitantanam-bola fototra sy ny fifandraisana amin'ny mpanjifa. Ny Mpanampy Manokana dia tokony hahay handamin'asa tsara sy hanana fahaizana manokana.


Ny taratasy fangatahana tsirairay dia ho dinihina amin'ny ankolafiny, nefa ireo kandida dia tokony ahavaly ny ankamaroany na ny fepetra manontolo voa laza etsy ambany:

• Mpianatra amin'ny ambaratonga ambony na vao nahazo mari-pahaizana avy amin'ny sekoly ambaratonga ambony

• Manana traik'efa iray taona raha kely indrindra amin'ny maha Mpanampy Manokana sy/na amin'ny tamba-jotra sosialy na asa mitovy.

• Tsara kokoa raha mizaka ny zom-pirenena Malagasy na maniry hiara-hiasa amin'ny Malagasy izay nahazo ilay vatsim-pianarana mahakasika ilay fiofanana ato aminay.

• Mahay miteny anglisy, frantsay na malagasy.

• Mahafehy ny solosaina sy efa zatra mampiasa ny rindrabaiko Microsoft Office.

• Manana trakefa manokana amin'ny tamba-jotra sosialy


Antsipirihany amin'ilay toerana:

•      Ora feno (40 ora isan-kerinandro)

• Ny karama dia miankina amin'ny traik'efa.

• Iray Volana no faharetan'ny andrana ka aorina an'izany no vao manao ny fifanarahana. 

• Ny Mpanampy Manokana no miantoka ny saran-dalana makany Nosy Be sy ny miantoka ny tena sy ny diany amin'ny karamany.


Ny asany dia mifototra amin'ny fikirakirana ireo mailaka sy hafatra miafina, ny fitantanana ny fitantanam-bola fototra, Ary Tomponandraikitra amin'ny fifandraisana amin'ireo mpanjifa amin'ny antso antariby sy mandritra ny fivoriana ary manavao ny tamba-jotra sosialin'ny MFP.


Aoka handefa mailaka ny CV, ny portfolio anao sy ny sarinao anao any amin'ny Chris Scarffe

Share by: