ANATY RANO


MIJERY

ANATY RANO


SCARFFE CHRIS

MPANAMORY CAMERA AN-DRANO


Chris dia mpikirakira fakan-tsary anaty rano matihanina, mpaka sary sy mpampianatra lomano, izay efa manana traik'efa mihoatra ny 15 taona Tamin'ny Orinasan'ny Fahitalavitra. Niasa naneran-tany izy, fa ankehitriny dia nanokan-tena tamin'ny fanadihadiana ny tontolo anaty ranomasin'i Madagasikara miaraka amin'ny fitaovana tsara kalitao antsika.


Efa niasa tamin'ireo fahitalavitra goavana maro izy, toy ny BBC, ny The Discovery Channel and Vice. Anisany tamin'ireo Horonan-tsary fanadihadiana voahaingana nataony raha tanisana ny "The Octopus in My House" tamin'ny BBC, "When Whales Walked" tamin'ny PBS sy ny "la série Hamilton Pharmacopoeia" tamin'ny Viceland. 

STROGOFF “GOFF” MICHEL

MPANAMORY CAMERA AN-DRANO


Goff dia lehibe tany amin'ny atsimo andrefan'ny Madagasikara, teo anivon'ny foko mpanjono sy mifindrafindra toerana, antsoina hoe Vezo. Niaina nandritran'ny fotoana maro teny ambony sambo tany amin'ny amorotsiraka andrefan'ny Madagasikara, nanarato sy nampiatra ny fomba fanjonoana amin'ny lefona. Vaohaingana dia nirotsaka tamin'ny fiarovana ny ranomasina sy ny fanabeazana ny vondron'olona ary mpampiofana mpanampy amin'ny antsitrika PADI. Hatramin'ny nihaonany tamin'i Chris, mpanangana ny MFP, dia miasa ho mpaka sary Mpanampy amin'ny famokarana fandaharana sy naka sary mahasarika ho an'ireo fikambanana. Enkilany, niasa ho "fixeur", mpandika teny ary Mpanolo-tsaina amin'ireo tetik'asa maro mifandray amin'ny tontolo an-dranonasina. Anisan'ireo mpanjifany ny BBC, Viceland, Blue Ventures sy ny Vice ao amin'ny HBO.Vao tsy ela iany koa izy no voafidy ho mpitsara tamin'ny fifaninanana Fifaninanana ara'tsary ho an'ny Firenena Mikambana momba ny andron''ny ranomasina.

FAMPANOFANA FITAOVANA FAMPIASANA ANATY RANOMASINA


Ny MFP dia manana fampitaovana tsara kalitao mahakasika ny horonan-tsary sy ny sary. Tafiditra ao anatin'izany ny "Sony Fs7", miaraka amin'ny fitoerana "sealux sous-marin" sy "Sony A7sii/rii" miaraka amin'ny fitoerana "nauticam", miampy ireo ny fametrahana ny " grand angle" sy ny "macro"


Manana fanala fitondra antsitrika roa "BigBlue 15,000 lumens ihany koa izahay, sy fakan-tsary miaraka amin'ny fiantonany, " gopro" sy fitaovana maro samihafa miaraka aminy. Mifandraisa aminay raha te hahazo ny antsipirian'ny fampitaovana rehetra sy ny sadany.


 

FAHAZOAN-DALANA MIATSAMBO SY FAMPITAOVANA


Amin'ny maha manam-pahaizana manokana ny tontolo anaty rano dia afaka manome sary izay ilainareo izahay, nefa koa afaka manolo-tsaina anareo amin'ny toerana tsara anaovana antsitrika, ny toerana sy ny fotoana ahazoana sary mahatalanjona amin'ny fiainana anaty ranomasina amin'ny faritra izay. Eo ihany koa ny fikarakarana ny fitaovana fitondra amin'ny antsitrika sy ny ireo sambo izay avy amin'ny tamba-jotra ny mpandraharaha efa mifanome toky. Ny mpamokatra ao aminay sy ny "fixeurs" za-draharaha dia afaka ihany koa miara-miasa aminareo mba hamolavolana rindra-tsehatra sy hanampy anareo amin'ny fahazoan-dalana amin'ny haino aman-jery sy siantifika izay ilaina. 


Share by: