FAMPAHAFATARANA


MIJERY

MIFANARAKA AMIN'NY MARIKANAO. NY SARY IRAY DIA MANAN-DANJA NOHON'NY KABARY ARIVO


Ireo sary dia tokony haneho ireo vokatrareo amin'ny endriny tsara ary mampiseho ny tolotra arosonareo ahasarika ireo mpanjifa. Ny votoatin'ny sary tsara kalitao - miaraka amin'ny sary fampahafatarana nalain'ny matihanina - dia manome endrika matihanina kokoa ny tranok'ala, ny sary fampahafatarana ary ireo haino aman-jery. Etsy ankilany,dia manome endrika mafinaritra Vakiana sy mora raisina ny hafatra ampitain'ireo dokam-barotra, izay amin'izao fotoana izao no tena manan-danja noho ny fahateren'ny fotoana hifantoan'ny olona. Ny sary fampahafatarana ihany koa dia azo ampiasaina amin'ny tamba-jotra sosialy, satria ny votoatin'ny sary dia mampahafantatra hoe iza marina Ianao, ary inona no ataonao amin'ny endrika mafinaritra jerena.

MIFANDRAISA AMINAY

HORONAN-TSARY

Alohan'ny fiafaran'ny taona 2022 dia vinavinaina ho 75% ny zavatra amparitaka amin'ny tamba-jotra dia horonan-tsary avokoa. Zava-dehibe araka izany ny fampiasana ireo horonan-tsary mba hifandraisana sy hanehoan-kevitra amin'ny vahoaka. Izahay dia mamorona horonan-tsary mifanaraka amin'ny filàna, azo ampifanarahana amin'ny marika anareo, mba ahafahanareo mifampiresaka mandaitra kokoa amin'ireo mpanjifa sy ny fianakaviambe. Na efa manana hevitra amin'ny horonan-tsary ianareo na maniry hifampizara hevitra aminay dia afak manampy hanatsara ilay hevitrareo izahay mandritran'ny dingana arahina amin'ny famokarana. Mamolavola drafitra isika, miara-maka sary ary manambatra ny horonan-tsary mba ho tantaraina ny tantara amin'ny fomba mandresy lahatra faran'izay azo atao, ary harovana ny maha tsara sy manaitra mba ahatonga azy ahasarika ny vahoaka.


Fantatray tsara fa ny orinasa rehetra dia tsy baobab ary ny sasany ary mbola vao manomboka mitsiry. Mitodika amin'ny orinasa sy amin'ny teti-bola samihafa sy tsy mitovy habe izahay. Ary manolotra vokatra matihanina izay azonareo hireharehana ny mampiseho ny marika, na inona na inona izany.


Jereo ireo horonantsarinay fampafatarana farany

Share by: