MPANAMPAHAIZANA MANOKANA AMIN'NY FIAINANA DIA


MIJERY

Ireharehanay ny fanananay fahalalana lalina amin'ny biby sy ny tontolo iainana eto Madagasikara. Ny ekipanay dia monina eto Madagasikara ary maro amin'izy ireo no mandehandeha mitety ny nosy. Manana fahalalana maro eny ifotony sy fifandraisana maro izay afaka hanampy anareo amin'ny zavatra ilaina amin'ny famokarana.

MPANJIFA


WHAT WE OFFER


FIXER

NY EKIPA

Manana ekipa mpanao horonan-tsary sy mpaka sary manokana izahay amin'ny biby sy ny tontolo iainana. Izay samy manana ny fahasahiana haka sary ety an-tanety, any anaty rano na eny an'habakabaka. Efa naka sary, namokatra sy nanatontosa horonan-tsary ho an'ireo tetik'asa maro fanta-daza, toy ny BBC, ny Vice amin'ny HBO, ny PBS ary ny Discovery Channel.

FITILIANA IREO TOERANA

Ny MFP dia manam-pahaizana amin'ny fikarohana ireo toerana hanaovana fanodinana ny horonan-tsary. Raha toa ka mila maka sary ny toetran'ny biby voafantina na te ahafantatra ny toerana tsara anaovana fandaharan'asa amin'ny fiarovana ny karazam-biby miavaka, afaka mahita ireo toerana tsara sy manoro hevitra amin'ny vanim-potoana tsara ahafahana manao izany ao anatin'ny taona.

FANDIKAN-TENY

 Raha toa ka ny teny malagasy ary ny teny frantsay no teny ofisialin'ny Madagasikara dia tsara ny manamarika fa manana tenim-paritra maro samihafa manerana ny nosy. Izay no maha saropady ny fananana mpandika teny tena azo antoka. Soa ihany fa ireo fixeurs avy eto an-toerana ao amin'ny MFP dia mahay ireo karazana tenim-paritra, izany no ahafahanareo mivelatra amin'ny fotoana eny an-kianja sy mifampizara tsara ny fomba fijerinareo amin'ireo vondron'olona ifotony izay halainareo sary. 

INONA NO ATOLOTRAY


STOCK

SARY SY HORONAN-TSARY TAHIRY

Nandritran'ny taona maro dia nitety ireo faritra izay tena nahatalanjona sy sarotra nidirana teto Madagasikara izahay. Teny an-dalana teny dia maro ireo tahirin-tsary sy horonan-tsary amin'ny kalitao tsara izay natambatra ka mampiseho ny hakanton'ny tontolo, ny zava-maniry sy ny biby eto Madagasikara, nefa ihany koa ireo loza manambana hatrehin'ny tontolo iainana. Raha toa ka mahaliana anareo ny ahazo ireo horonan-tsary sy sary ireo dia mifandraisa aminay.

FITAOVANA, FAMPANOFANA FITAOVANA SY FIXEURS

Ny taona maro niasanay teto an-toerana dia midika fa manana fihavanana maharitra amin'ireo mpiaro ny tontolo iainana izahay, ireo mpitari-dia izay manana masom-boromahery, ireo siantifika, ireo vondron'olona ifotony, ireo mpitondra fanjakana ary ireo mpitandro filaminana. Ny fidirana amin'ireo tamba-jotra ireo dia manome fahalalahana hiditra amin'ireo toerana rehetra manerana an'i Madagasikara. Izany no manamora ny fampitaovana ny tetik'asa rehetra na toa inona ny halehibeany.


NY ASA MIALOHAN'NY FAMOKARANA SY NY FIKAROHANA

Ny fampiasana ny fahalalana manokana eo amin'ny biby sy ny zava-maniry eto Madagasikara sy ny mahakasika ny tontolo iainana. Afaka mandray ireo endrika maro ny asa mialohan'ny famokarana isika, indrindra ny fikarohana, ny fanadihadiana ireo manam-pahaizana manokana sy ny fampiroboroboina ny tantara mba hanampy amin'ny fahombiazan'ny famokarana.

FIFANDRAISANA

Ny taona maro niasanay teto an-toerana dia midika fa manana fihavanana maharitra amin'ireo mpiaro ny tontolo iainana izahay, ireo mpitari-dia izay manana masom-boromahery, ireo siantifika, ireo vondron'olona ifotony, ireo mpitondra fanjakana ary ireo mpitandro filaminana. Ny fidirana amin'ireo tamba-jotra ireo dia manome fahalalahana hiditra amin'ireo toerana rehetra manerana an'i Madagasikara. Izany no manamora ny fampitaovana ny tetik'asa rehetra na toa inona ny halehibeany. 

TÉMOIGNAGES


FIJERENA IREO AMPAHANY AMIN'NY ASANAY


  • BBC: The Octopus In My House

    Photo By: John Doe
    MIJERY
  • Share by: