IREO EKIPANAY


MIJERY

SCARFFE CHRIS

Mpamorina sy talen'ny Madagascar Film & Photographie

Chris dia mpanatontosa horonan-tsary sy mpaka sary mahaleo tena anglisy. Efa nahazo loka maro, ary efa mihoatra ny dimy ambiny folo taona ny traik'efa ara-pamoronana hananany eo amin'ny maha mpanatontosa/mpamokatra azy, talen'ny fakana sary, mpikirakira fakan-tsary any anaty rano sy mpikirakira drone, izany manana ny fahazoan-dalana CAA. Mpitia voary i Chris, mpiaro ny tontolo iainana sy mpisantatra ka ny ankamaroan'ny asany dia maneho ny fitiavany an'izany. Satria izy dia mitety an'izao tontolo izao, any amin'ny toerana faran'iray lavitra sy mety hitera-doza, izany dia ataony ho an'ireo karazana mpanjifa amin'ny haino aman-jery sy ireo ONG. Manadihady ireo izay miavaka ka atolotry ny natiora izy, nefa koa mampiseho ireo loza manambana izay miandry ny planetatsika.     


Ny taona 2011 izy no tonga voalohany teto Madagasikara mba hanatontosa horonan-tsary fanadihadiana mahakasika ny fihazana ny sokatra sy ny fangalarana vombon'ny antsantsa, ary avy hatrany izy dia raiki-pitiavana tamin'ireo mponina miavakasy ny biby ary ny zavamaniry tsy manan-tsahala. Niankim-po tamin'ireo zavatra hitany, nataon'i Chris avokoa ny ezaka rehetra mba hiverenana matetika faran'izay azo atao eto amin'ity "kaontinanta faha-valo" ity, izay haingana dia lasa fonenana faharoa ho azy, talohan'ny nandraisany fanampahan-kevitra fa hipetraka tanteraka sy hanangana ny Madagascar Film & Photographie. Ny lazany dia tafiditra noho ny asany tamin'ny BBC, PBS, The Discovery Channel, Blue Ventures sy Save Our Seas. Chris dia naka sary an'habakabaka, ambanin'ny rano sy an'tanety tamin'ny fanadihadihan'ny BBC , The Octopus In My House, Izay nahazo loka roa lehibe tamin'ny Jackson Wild 2020. Mitovy Lanja amin'ny horonantsary natiora amin'ireo Oscars.

STROGOFF "GOFF" MICHEL 

Talen'i MFP Photography, mpaka sary, mpanantontosa & teknisianina

Michel strogoff antsoina oe Goff dia Malagasy iray izay mpaka sary sy mpanantontosa fantantra amin'ireo sarin'i makasika ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiainana dia ( jereo eo ambany ny tahirin- tsariny). Avy amin'ny asany eo amin'ny tontolo io dia vao tsy ela akory izay izy no voasafidy anantona ny Explorers Club izay manankaja mitokana 50 fikambanana

fandraisana andraikitra iray izay mikendry ny hampanfantatra sy hanamafy ireo mpikaroka tany vao 50 miavaka izay nanova an'izao tontolo sy nampivelatra ny dikany sy ny fiantraikan'ny fikarohana. Izy iany koa dia anisan'ny mpitsara tamin'ny United Nations 2021 World Oceans Day photography competition . Ny zava-bitany dia tena miavaka satry vao tsy ela I Goff no tena nitodika tamin'ny tontolon'i sarimihetsika sy ny sary.


Goff dia nitombo tany amin'ny faritra atsimo andrefan'i Madagascar mpikambana niaraka tamin'ireo mpanjono mpifindrafindra monina ireo foko antsoina oe Vezo. Noho izany dia nandany fotoana Maro nitety ny morontsiraka andefasan'i Madagascar tamin'ny alalan'ny jono izy. Tamin'ny 2009,dia  nanampa-kevitra ny hioava asa izy ary nanomboka niasa tamin'ny  Britanika mpiaro ny tontolo iainana an'dranomasina ONG, Blue Ventures, izay niasa tao amin'ny tanànan'ny mpanjono Andavadoaka izay nisy.azy. Goff dia niasa niaraka tamin'ny ONG  ary niezaka ny mba hanampy ireo vondrom-piarahamonina tao an-toerana hanatsara ny fitantanan'izy ireo ny harena an-dranomasina. Vokatr'izany dia nanomboka nazava bebe kokoa tamin'i Goff ny olan'ny tontolo iainana izay mianjady amin'ny fireneny , nanomboka nianatra ny teny Anglisy izy ka lasa ho mpanampy ireo  mpampianatra mpisitrika an'drano PADI.


Tamin'ny 2014 , Goff dia nantsoina ho mpanamboatra sy mpandika teny nandritran'ny fitifirana an-tsary hoany Vice tao HBO izay niasan'ny mpanorina ny MFP Chris Scarffe. Voahafehin'i Goff tsara ny asany ka lasa mpinamana malaky ny roa tonta ary miara-miasa nanomboka teo. Goff amin'izao fotoana izao dia mpaka sary , mpanamboatra, ary cameraman matianina. Efa niara-niasa tamin'ny karazana mpanjifa mivelatra maro izy ONG sy Orinasa anatin'izany BBC, Vice sur HBO, Blue ventures, Durrell conservation trust sy ny fondation Thomson Reuters.

RAMASY FELANA

Mpitantana ny media sosialy

Felana dia mpanolo-tsaina momba ny media sosialy MFP ary iray amin'ireo mpankafy nomerika malaza eto Madagasikara.


Manana traikefa 10 taona mahery amin'ny sehatra nomerika i Felana ary niara-niasa tamin'ny tetikasa sy mpanjifa maro sarotra, anisan'izany ny andrim-panjakana iraisam-pirenena sy ny SME eo an-toerana. Mafana fo amin'ny fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina sy ny fiarovana ny zavaboahary izy ary ampahany manan-danja amin'ny fanirian'ny MFP hanentana, hampahafantatra ary hamorona fiovana tsara amin'ny alalan'ny fitantarana hita maso.


 TAHIRIN-TSARIN'NY GOFF

Share by: